« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamamtra, ary Andriamanitra ny Teny» (Jo. 1, 1)
Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin'ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin'ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenana ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin'izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika olo araiky jiaby. Bonne et sainte fête de Noël antsika jiaby e, enga anie ho Noely hitondra fiadanana tanteraka izao Noely 2025 izao, ao anatin’ny famaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana izao. Tanteraka eo anivon'ny fiainantsika izany fiadanan'ny Noely izany raha manome voninahitra an'Andriamanitra ny fiainantsika manontolo......[.....]
"Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”
Ry Kristianina havana afaka andro vitsivitsy dia hiaraka hankalaza ny fetin'ny Noely isika, anio tokoa manko ny Alahady faha-4 fiavian'ny Tompo. Matetika isika namerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia midika zavatra lalina satria tsy hoe mahatsiaro fotsiny isika fa ny Noely dia Andriamanitra eto amintsika, Emanoela no anarany. Tsy hoe "anniversaire"n'i Jesoa no ankalazaintsika fa noho ny asan'ny Fanahy masina dia mahatsiaro ilay fiaviana tamin'izany fotoana izany isika no sady mivelona no miaina an'izany fotoan-dehibe nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olombelona izany ka izao Alahady faha-4 izao dia mialoha an'io fankalazana io ......[........]
ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady fahatelo amin’ny fiavian’ny Tompo izao izay antsoina ihany koa alahadin’ny hafaliana satria arak’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika, dia efa azo lazaina fa feno hafaliana isika satria ilay fanantenana izay andrasantsika tokoa amin’izao fiaviana izao dia eo anivontsika ary izay indrindra no mahatonga an’I Md Paoly entanin’ny fanantenana izany fa hoavy tokoa ny fiadanana ary efa anivontsika ka milaza tsy am-pisalasalana hoe : “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, eny averiko indray mifalia satria efa akaiky ny Tompo”. Izany no mahatonga ny litorjia manentana antsika, na dia eo aza ny mety mavesatra na ny manahirana na ny sedra mety mitondra fahoriana, amin’izao fiomanantsika ny fahatongavan’ny Teny ho nofo izao, ny teny tonga nofo, nofo tonga mofo, mofo tonga aina. Ny tapan’ny voalohany io no andrandraintsika amin’izao noely izao dia ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ary tsapa sahady fa miezaka isika mihaona aminy fa ny marina tokoa dia Andriamanitra no manatona antsika izay no atao hoe “incarnation”, tonga nofo. Mampirisika antsika hibebaka bebe kokoa izany satria arakaraky ny hanokafantsika ny fontsika handray azy no maha eo azy eo amintsika ......[........]
"Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
Ry kristianina havana, mitohy ny diantsika mamakivaky ny vanim-potoana manokana lehibe hiomanantsika amin'ny fahatongavan'ny Tompo. Amin'izao Alahady faharoa ny Fiaviana izao, no anolorana ho antsika EOV JIABY ny fehin-kevitry ny sinaody ho torolalana ho antsika miatrika ny zava-misy iainantsika izao. Azo lazaina fa tena mifanaraka tsara amin’ireo vakiteny atolotry ny Eglizy izay mampitodika antsika bebe amin'ny modely anankiray dia i Joany Batista. Raha nisy tokoa ny olona niomana sy nampiomana ny fiavian'ny Tompo dia i Joany Batista, izy no mpaminany farany ary tsy misy ny mpaminany lehibe toa azy hoy i Jesoa. Mila Joany Batista maro izao androntsika. Izany ny tanjon’ny sinaody ataontsika izao. Mila vavolombelona hanampy ny olona sy ny rafitra hihavao mba ho afaka hanorina rafitra manampy antsika hifanasoa, hifampitsimbina hikatsaka ny soa iombonana ka handray an-tanana ny fiainantsika.....[.......]
"Koa aoka ary ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”
Ry kristianina havana, amin’izao alahady voalohany amin’ny Fiaviana izao izay manomboka ny taona litorjika dia mino aho fa mbola manakoako ao am-pontsika tsirairay avy ny fankalazana ny famaranana ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3, azoko onogna fa mbola mitamberina ao an-tsaintsika ireny fankalazana maro natao ireny ary miaraka misaotra an'Andriamanitra isika amin'ny fahasoavana rehetra noraisintsika. Tsy tanjona anefa izy ireny fa indrindra araka ny voalazantsika hoe fijanonana amin’ny fiarahan-dia miroso amin’ny fametrahana rafitra ahafahantsika mifampitsimbina, mifanasoa, mikatsaka ny soa iombonana eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika, amin’izao isika miatrika krizy maro sosona sy goavana izao. Na dia tsy tanjona fa azo lazaina fa dingana sarobidy aza....[.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA