RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, ho antsika kristianina katolika dia efa nifampiarahaba sy nifampirary soa ny taom-baovao isika taorian’ny fankalazana an’I Kristy Mpanjaka dia tamin’ny alahady voalohany fiaviana no nanombohantsika ny taombaovao litorjika ka efa mamakivaky ny taona vaovao isika amin’izao kanefa araky ny averimberintsika matetika na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika kristianina dia eo anivon’izao tontolo izao ho famantaram-pamonjena sy mizara ny manta sy ny masaka amin’ny vahoaka manodidina azy ka an-karavoana no iarahabako antsika jiaby oloaraiky amin’izao voalohan’ny volana janoary fankalazana an’I Masina Maria Renin’Andriamanitra izao. Izao no andro ho firariantsoa, amin’ny maha Ray aman-dReny ny tena dia an-kafaliana no angatahako ny tsodranon’Andriamanitra ho antsika tsirairay.....[....]
Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny
Ry Kristianina havana, mankalaza manokana ny Fianakaviana Masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an'i Jesoa, Maria ary Josefa ary anio koa araka ny hafatr’i Papa no hamaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana ka hanakatonana ny Varavarana Masina. Ny Varavarana Masina no mikatona fa ny fanantenana nentin’ny fankalazana mitohy satria “tsy manodoka ny Fanantenana dia i Kristy izay tonga eo anivontsika”. Tsy mahagaga raha alahadin’ny Fianakaviana Masina no hanakatona azy ary isika izao no misolo ny fianakaviana rehetra manambara na dia eo aza izao krizy mafy dia matoky isika fa miara-dalana amintsika ka ho tonga amin’ny tena fiainana isika mianakavy. Tsy afenina tokoa fa marary ny fianakaviana ka mila ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra. Raha marary ny fianakaviana dia marary ny fiaraha-monina, marary ny firenena....[.....]
« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamamtra, ary Andriamanitra ny Teny» (Jo. 1, 1)
Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin'ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin'ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenana ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin'izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika olo araiky jiaby. Bonne et sainte fête de Noël antsika jiaby e, enga anie ho Noely hitondra fiadanana tanteraka izao Noely 2025 izao, ao anatin’ny famaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana izao. Tanteraka eo anivon'ny fiainantsika izany fiadanan'ny Noely izany raha manome voninahitra an'Andriamanitra ny fiainantsika manontolo......[.....]
"Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”
Ry Kristianina havana afaka andro vitsivitsy dia hiaraka hankalaza ny fetin'ny Noely isika, anio tokoa manko ny Alahady faha-4 fiavian'ny Tompo. Matetika isika namerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia midika zavatra lalina satria tsy hoe mahatsiaro fotsiny isika fa ny Noely dia Andriamanitra eto amintsika, Emanoela no anarany. Tsy hoe "anniversaire"n'i Jesoa no ankalazaintsika fa noho ny asan'ny Fanahy masina dia mahatsiaro ilay fiaviana tamin'izany fotoana izany isika no sady mivelona no miaina an'izany fotoan-dehibe nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olombelona izany ka izao Alahady faha-4 izao dia mialoha an'io fankalazana io ......[........]
ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady fahatelo amin’ny fiavian’ny Tompo izao izay antsoina ihany koa alahadin’ny hafaliana satria arak’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika, dia efa azo lazaina fa feno hafaliana isika satria ilay fanantenana izay andrasantsika tokoa amin’izao fiaviana izao dia eo anivontsika ary izay indrindra no mahatonga an’I Md Paoly entanin’ny fanantenana izany fa hoavy tokoa ny fiadanana ary efa anivontsika ka milaza tsy am-pisalasalana hoe : “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, eny averiko indray mifalia satria efa akaiky ny Tompo”. Izany no mahatonga ny litorjia manentana antsika, na dia eo aza ny mety mavesatra na ny manahirana na ny sedra mety mitondra fahoriana, amin’izao fiomanantsika ny fahatongavan’ny Teny ho nofo izao, ny teny tonga nofo, nofo tonga mofo, mofo tonga aina. Ny tapan’ny voalohany io no andrandraintsika amin’izao noely izao dia ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ary tsapa sahady fa miezaka isika mihaona aminy fa ny marina tokoa dia Andriamanitra no manatona antsika izay no atao hoe “incarnation”, tonga nofo. Mampirisika antsika hibebaka bebe kokoa izany satria arakaraky ny hanokafantsika ny fontsika handray azy no maha eo azy eo amintsika ......[........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA