Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-21 MANDAVANTAONA - TAONA D 2025

Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.


Ry kristianina havana, raha tamin'ny herinandro lasa isika nandinika sy nibanjina an'i Masina Maria nampakarina vatana sy fanahy any an-danitra ary any tokoa no toerana iombonantsika dia olo araiky amin'ny Trinité Masina tokoa isika. Ary tamin’ny alahady faha-20 lasa teo isika niara-nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny fanamasinana pretra. Mivavaka ho azy ireo hatrany isika. Tadidintsika ny foto-kevitra nanentana antsika tamin’izany: mila safidy ny fiainana ary tsy vitan’ny safidy fa mila fola-kevitra manatanteraka izay safidy izay eo amin’ny fiainana andavanandro raha te-hahita fivelarana marina....[...]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-17 MANDAVANTAONA - TAONA D 2025

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava,dia hahita; mandondona, dia hovohaina


Ry kristianina havana, tsara ny manamarika fa izao alahady faran’ny volana jolay izao no natokan’I Papa François ho andro hahatsiarovana ny ZokiOlona.  Isaky ny alahady fahaefatra amin’ny volana jolay no ankalazana azy, akaiky amin’ny 26 jolay, mba hifandray amin’ny fetin’i Md Joakima sy Anna, Ray amandrenin’i Masina Maria. Ny tanjona amin’izany dia mba hahay hankasitraka ny anjara toeran’ny zokiolona amin’ny fiaraha-monina sy ny Eglizy isika, hampifandray amin’ny tanora sy ny fianakaviana ny zokiolona, hampahatsiahy fa anisan’ny asa masina ny mikarakara azy ireo sy mihaino azy ireo.....[....]

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-16 MANDAVANTAONA - TAONA D 2025

Nandray Azy tao an-tranony i Marta, fa i Maria kosa no nifidy ny anjara soa indrindra.


Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nandinika, nandalina sy nibanjina ny tena votoatin'ny fiainantsika isika fa indrindra amin'izao fandalinam-pinoana mandavantaona ataontsika izao dia ny fitiavana izay nasongadintsika tsara fa tsy sentosento ary lavitra ny fihatsaram-belatsihy fa mila fahafoizana, mitondra amin’ny fanompoana, niseho tamin’ny fitsaboana notanterahin’ilay Samaritana nikarakara an'ilay maratra ary tsy iza io Samaritana io fa i Jesoa izay nitondra tany amin’ny tranom-bahiny ary nilaza tamin'ny tompon-trano mba hikarakara ilay marary. Azo lazaina fa raha nanao izany I Jesoa dia manolotra amintsika amin’ny Eglizy. Isika izao io tompon-trano io, isika no irahin’I Jesoa tsy maintsy mikolokolo fa indrindra amin’izao andro sarotra izao...[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

ALAHADY FAHA-15 MANDAVANTAONA - TAONA D 2025

“Mandehana àry, ka manaova toy izany koa”.


Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-15 mandavantaona izao izany hoe eo anivon'ny dia sady ady ivelomantsika ny finoantsika isika araka ny voalazantsika matetika hoe: ny finoana dia tsy tany malemy anorenam-pangady fa tany lonaka hiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra ka mamokatra ho antsika sy ireo manodidina antsika ka mahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana. Izany ny mahatonga ny hoe fahaizana mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Ao anatin'izao Alahady faha-15 tsotra izao dia miditra amin'ny tapan'ny faharoa amin'ny fandalinam-pinoana isika.....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-14 MANDAVANTAONA - TAONA D 2025

Hitoetra ao amin’izany trano izany ny Fiadanana lazainareo


Ry Kristianina havana, avy niatrika fotoan-dehibe maromaro isika tato ho ato, fotoam-pahasoavana ary ny farany teo dia tamin’ny alahady lasa Fankalazana an’I Md Piera sy Paoly. Tena ao anatin’ny taon-jobily marina isika. Io ihany koa ny alahady mamarana ny volana jiona volan’ny Fo Masin’I Jesoa, Mpiaro an’I Madagasikara, Mpiaro ny diosezintsika. Manomboka amin’izao dia miverina amin’ny mandavan-taona indray isika. Araky ny averimberintsika matetika ny fotoana litorjika mandavan-taona ohatrizao dia fotoana fandalinam-pinoana fa indrindra ao anatin’izao Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 izay efa
faranantsika amin’ny volana novambra. Ny tanjona dia ny nahatonga antsika hivelona ny finoana amin’izao vanim-potoana misy antsika. Marina tokoa izao ny fotoana tsara hirosoana amin’ny lalindalina kokoa......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..