NY OLONA MANAM-PINOANA TSY MIANDRY VALISOA EO NO HO EO
Ry Kristianina havana raha tamin’ny Alahady lasa teo isika dia niezaka mba hahalala bebe kokoa ny fampitrahofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Ny harena, hoy isika, dia ny fiainana izay ho entina hizarana, hifanasoavana amin’ny hafa fa tsy tokony ho vato misakana ka raha tonga ilay andro farany dia tsy afaka hivavaka intsony isika araka ny fanoharana tamin’ny evanjely tamin’ny Alahady lasa teo : nisy elanelana, nisy hantsana ka tsy afaka handeha amin’ny toerana misy ny fiadanana intsony isika ary izay no mahatonga antsika mamerimberina hoe, niany ny hoavy fa tsy amaray (anio ny ho avy fa tsy rahampitso).....[....]
Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana,
ny faharetana, ny fahalemem-panahy
Ry kristianina havana, nandinika manokana araky ny fampianaran’ny Eglizy ny mikasika ny harena isika tamin’ny Alahady lasa teo, tsy ny harena no ratsy ary anisan’ireo tsy maintsy katsahina izy. Ny tsara tsy maintsy tsipihina eto dia avy aiza io harena io? Fomba ahoana ny fampiasaina azy? Ary toe-panahy ahoana no entina mivelona satria raha ny harena no zary Andriamanitra dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy. Raha lainga sy fitapitaka ary risoriso no nanangonana harena dia tsy azo ekena. Raha entinao hanilikilihana ny hafa dia tsy azo eken’ny ny Eglizy ihany koa. Raha fintinina dia tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy sy sitrak’Andriamanitra ny fomba nahazoana ny harena, ny fomba hampiasana ny harena ary ny tanjona ho tratrarina amin’ny harena.....[.......]
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.
Ry kristianina havana, nifanojo amin’ny alahady ny 14 septambra fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ka nanararaotantsika hibanjinana manokana ny Lakroa Masina. Fa amin'izao Alahady faha-25 mandavantaona izao dia mananatra antsika ny tenin'Andriamanitra aroson'ny Eglizy ho sakafom-panahy hamelombelona ny finoantsika hahafahantsika hahay hampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro ka hivahatra amin’ny Lakroa ny fiainantsika hametraka safidy matotra.....[......]
"Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy anandratana ny zanak'olona...."
Ry Kristianina havana,raha ny marina dia tokony alahady faha-24 mandavantaona anio nefa noho ny 14 septambra izay ankalazan'ny Eglizy ny fanandratana ny Lakroa Masina dia ny Lakroa Masina no ankalazaina. Ny mahavariana araka ny averimberintsika matetika tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra dia mifanojo amin’ny alahady ny fankalazana amin’izao taon-jobilin’ny Fanavotana izao. Fantatsika tsara ny anjara toeran’ny Lakroa Masina,ny hazofijalian'i Kristy amin’izany fanavotana antsika izany. Teo i Jesoa no nanolotra ny ainy hanavotana antsika. Izy ilay tsy nanota nanaiky ho fahotana hanavotra antsika ary teo amin’ny Lakroa. Tsara ihany ny manamarika fa feno 70 taona anio ihany koa ny nanambara ho diosezy antsika niaraka amin’ireto diosezy ireto dia Antananarivo, Antsiranana, Morondava, Antsirabe, Mahajanga, Ambanja, Fianarantsoa, Miarinarivo, Tolagnaro, Tamatave... Tsy afanina amintsika koa fa anio no feno 70 taona ihany koa ny Papa Léon faha XIV... izany rehetra izany no mampisaotra an’Andriamanitra....[......]
Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.
Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy ho Fratelli Tutti ka Mpiray Tampo ao Aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an'ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy ary fahatsorana isika ary izany no fanahafana an'i Kristy.
Amin'izao Alahady faha-23 mandavantaona izao dia miombona amin'ireo any Roma miatrika ny fanambarana ho Olomasina an’i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati isika, noraisin’i Papa François ho modely sy mpivavaka ho an’ny tanora amin’izao taon-jobily izao.....[....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA