Ankehitriny ry Tompo vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao
Ry Kristianina havana, izao 02 febroary izao no ankalazantsika ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly izay antsointsika hoe fetin'ny Jiro masina. Fanamasinana ny jiro masina, izay mahatonga antsika rehefa manomboka ny lamesa manao ny fitondrana ny jiro ao amin'ny Eglizy. Nefa tsara ny mitadidy ary efa naverina matetika amintsika fa tsy manao "théatre" na fampisehoana isika raha manao izany fihetsika izany fa litorjia izany hoe asan'Andriamanitra ka mivelona izay ankalazaintsika isika. Tsy hoe mahatsiaro fotsiny fa noho ny asan'ny FANAHY MASINA ao amintsika dia sady mankalaza no mahatsiaro isika ka mivelona an'izay ankalazaina. Aoka àry tsy ho variana amin’ny zavatra ety ivelany isika fa ny ambaran’ny fihetsika sy ny zavatra ataontsika.
Androany dia mahatsiaro ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly isika, raha ny marina kokoa dia Izy no nanolotra ny tenany.......[.........]
SAMBATRA NY MAHANTRA FA AZY NY FANJAKAN’NY LANITRA
Ry Kristianina havana,efa voalaza hatramin’ny fanombohan’ izao vaninandro mandavantaona izao fa ny fandalinam-pinoana no atolotry ny Eglizy amintsika amin’ny alalan’ireo vakiteny mba hitoetra eo amin’ny fiainantsika tokoa i Jesoa. Hampivahatra ny finoana amin’ny fiainana no ezaka ataontsika amin’izao Sinaody fa indrindra ny tapany faharoa atrehintsika izao ka mahatonga antsika hanao asa fikolokoloana, fanajana sy fiarovana ny tontolo iainana mba ho tranobe iombonana ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby izay tsy inona fa ity tanintsika ity. Tohizantsika ary hamafisintsika ny ezaka ataontsika ka zary “Kristy Mpiarabelona, miara-dàlana manavao ny fifandraisana isika”.
Nanomboka tamin’ny Alahady faha-2 mandavantaona dia nandinika isika ka nametra-panontaniana hoe : “Iza marina moa i Jesoa eo anivontsika ? Ary inona no mety vokatr’izay amin’ny fiainana andavanandro? Amin’ny sinaody ?”. Amin’izao Alahady faha-4 izao dia tohizantsika ny famakiana ny evanjelin’i Md Matio izay nanoratra manokana ho an’ny jody.......[.........]
I KRISTY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA
Ry Kristianina havamalala, miombona amin’ny diosezin’Ambanja isika anio amin’ny fanamasinana an’i Mgr Donatien Randriamalala ho Evekan’ny diosezy. Mahavariana fa ny tenin’Andriamanitra androany miresaka mikasika ny vôkasiona. Entintsika am-bavaka i Mgr sy ny diosezy mba ho feno ny Fanahy Masina ka ho tahaka an’i Joany Batista hitarika ny olona hihaona amin’i Jesoa.
Tamin’ny alahady lasa teo isika nankalaza ny batemin’i Jesoa izay nampahatsiaro ny batemintsika : vita batemy ka irahina, izay koa no mampiditra antsika amin’ny vanim-potoana mandavantaona mahatonga antsika hivelona ny batemy fa indrindra amin’izao FANANTANTERAHANTSIKA NY SINAODY TAPANY FAHAROA IZAO : FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARO NY TONTOLO IAINANA......[........]
I JESOA NATAO BATEMY: TANDINDON’NY BATEMINTSIKA
Ry Kristianina havana, androany isika no mankalaza ny batemin’ny Tompo, amin’izao Alahady manaraka ny nisehoan’ny Tompo dia ny Epifania ary Alahady mamarana ny vanim-potoan’ny Noely izay nandinihantsika sy nibanjinantsika an’I Jesoa eto anivontsika. Nivoaka ny Trinite masina izy, nirahin’Andriamanitra Ray ilay zanany lahitokana dia I Jesoa, tonga eto anivontsika izy, nitondra ny fiadanana sy fanantenana. Tsy hoe sarisarin’olombelona izy fa tena olombelona natera-behivavy, izay no nibanjinantsika ny Teny tonga nofo ary miara-dàlana amintsika izy mamakivaky izao taona vaovao izao sy ny taona manaraka rehetra ary ny taona teo aloha koa aza. Raha ny saintsika olombeloa tokoa dia tsy ho takatsika.....[.......]
“ Izaotontoloizao no irin’Andriamanitra ho Eglizyfianakaviany ”
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. Amin’izao Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Tsy afenina fa somary mikorontana ny kalendrie ka anio alahady ny Epifania ary rahampitso no mankalaza ny Batemin’ny Tompo isika.
Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanetren-tena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela......[.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA