Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » HAFATRA PASTORALY TANORA JMJ 2017

HAFATRA PASTORALY TANORA JMJ 2017

HAFATRA PASTORALY TANORA JMJ 2017 - Archidiocèse d'Antsiranana


““SAMBATRA NY MALEMY FANAHY FA IZY NO HANDOVA NY TANY »
“Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo. ......

Monseigneur Benjamin Marc Ramaroson, c.m.
Archevêque d’Antsirananana
Tél : (261) 32 11 539 39
BP 415
5 Boulevard Le Myre de Villers
201 ANTSIRANANA
Madagascar
bramaroson@gmail.com

 


““SAMBATRA NY MALEMY FANAHY FA IZY NO HANDOVA NY TANY »
“Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo. ...... satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny Tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin'izao tontolo izao. Fa izay tia an'izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny”. (1 Jn 2, 14)


Ho antsika Pretra, Voatokana, Lahika Ray amand-Reny
Ho antsika Tanora
Ho antsika olo Araiky


Nanapa-kevitra isika eto amin’ny Arsidiosezy fa hankalaza ny Andron’ny Tanora mba hiombonambavaka,
handalinana ny finoana, hamakafakana ny fiainana. Ny tanjona dia ny hahaizantsika
hampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro, handraisana an-tanana ny Eglizy ka ho tena
Tompon’andraikitra tokoa isika. Tsy amaray tokoa ny ho avy fa niany ary tsy iza no handova ity tranobe
iombona dia ny tany ity fa ny “Génération Makarios”
Miantso anareo Tanora àry aho ho tonga hanatanteraka ny JMJn’ny diosezy : 2 -6 Aogositra


Mbola hisy fanazavana amin’ny antsipiriany fa tiako sahady ny misintona ny saintsika :


- Voalohany hiara-hivavaka isika Olo Araiky eto amin’ny Diosezy mba ho Pantekôty Vaovao ho an’ny
“Génération makarios” io JMJ io. Ataovy matetika ny vavaka na samirery, na miaraka, eo anivon’ny
Fianakaviana, eo anivon’ny Fikambanana sy ny firohotana, eo anivon’ny voamiera, eo anivon’ny Eglizy
Fiombonana, Fototra, iraka....
- Faharoa : Diniho tsara ny teny ao anatin’io vavaka io sy ny lohahevitry ny JMJ...
Manentana antsika rehetra eto amin’ny diosezy koa aho mba hiara-dalana amin’ny tanora ka hitrotro
ambavaka ny JMJ


Milaza miara-mahita isika fa misedra fotoan-tsarotra ny fiainan’ny tanora... Mety ho maro ny antony fa
anisan’izany sady mety ho fototra sy loharano no vokatr’izany : ny tsy fisian’ny tondro lalan-kombana
mazava na “repères” eo anivon’ny tontolo iainana (environnement) sy eo anivon’ny tontolom-piainana
(fiaraha-monina sy kolontsaina)...Potika noho izany ny “Tranobe iombonana”, lova mipetraka ho an’ny
taranaka mifandimby....


Jesoa, Lalana sy Fahamarinana ary Fianana, Mpiarabelona amintsika sady miara-dalana amintsika
“eglizy” ka noho izany manana adidy hanome repères mazava isika ....
Miandry anareo tanora àry hanomboka dieny izao ny diantsika mankany amin’ny JMJ. Ankinintsika
amin’i Masina Maria izany . Mitsodrano anareo aho ary mangataka vavaka avy aminareo.
 

 

+ Mompera Eveka Ramaroson Benjamin Marc, cm
25 Janvier 2017, Fankalazana ny Fibebahan’i Md Paoly

04/03/2017 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..