Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » FANAZAVANA MIKASIKA NY LOGO JMJ DIOSEZIN'ANTSIRANANA 2017

FANAZAVANA MIKASIKA NY LOGO JMJ DIOSEZIN'ANTSIRANANA 2017

FANAZAVANA MIKASIKA NY LOGO JMJ DIOSEZIN'ANTSIRANANA 2017 - Archidiocèse d'Antsiranana

MIFANTOKA AMIN’NY ZAVA-BOAARY TOKOA ITY LOGO ITY

Ny LOGO dia hanampy antsika tanora hikatsaka hatrany ny halemem-panahy sy ny fiatrehana ny ho avy anatin’ny tontolo madio. Io indrindra no andrasan’ny Diosezy amintsika Tanora........

1.     TANY (Globe terrestre) izay miloko maintso ny ambany ary manga ny ambony dia manambara amintsika ny tany onenan’ny zanak’olombelona rehetra, ilay tany nampanantenain’i Jesoa Kristy antsika amin’ny teniny manao hoe : « Sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany » (Mt.5, 4). Io indrindra moa no ilay teny fanevan’ny JMJ Diosezy 2017.

Tsara marihina eto fa ny loko maintso eo ambany dia manambara ny ahi-maintso sy ny hazo maniry eo ambonin’ny tany. Ny zava-maniry maintso dia entina ilazana ny halonaky ny tany izay miantoka ny tsiro mamelona azy. Voakolokolo tsara ny tany ka lonaka.

Raha ny loko manga indray dia manambara ilay habakabaka eny ambony, tsy misy entona na rahona mandrakotra azy fa madio dia madio nohon’ny fisian’ny hazo maniry etsy ambany.

 

2.     Ny loko fotsy eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra dia ilazana ny fahadiovan’ny rivotra iainantsika.

 

3.     FO: manambara fitiavana, raha tsy misy ny fitiavana dia tsy hita ilay halemem-panahy. Ny loko mena dia manambara fitiavana ihany koa, fahafoizan-tena, fahafoizana entina hanatsara ny tontolo iainantsika ity, entina hikolokoloana ny zava-boaary. Tokony manana fitiavana mirehidrehitra, fitiavana feno fahafoizana ny tanora ka hanahaka an’i Jesoa Kristy ilay nitia antsika olombelona, nahafoy ny ainy ho fanavotana antsika, ho famonjena antsika. Izany hoe hanana fitiavana mirehidrehitra mikolokolo sy miaro ny zava-boaary, miaro ny tontolo iainantsika dia ilay “Tranobe iombonana” isika na hatramin’ny farafofon’aina aza.

Io Fo io ihany koa no ilay Fon’i Jesoa Mpanavotra antsika, mampianatra antsika, manentana antsika, mampiombona antsika. Eo ambany fiarovan’i Fo Masin’i Jesoa moa ny Diosezintsika ka izany no anton’io sarin’ny diosezy fonosin’ny fo io.

 

 

4.     SARIN-TANIN’NY DIOSEZY: Fantantsika tsara fa JMJ Diosezy no ankalazaintsika ka izany no anton’ny nametrahana ny sarin-tanin’ny diosezy. Eo ambonin’ny hazo no ipetrahan’ilay sarin-tanin’ny diosezy, ka izy no misolo ny ravina. Maintso ilay ravin-kazo satria lonaka ny tany aniriany. Manambara ihany koa izany fa vontom-pinoana ny kristianina ao aminy, ilay finoana manentana ny olona hiaro sy hikolokolo ary hanatsara ny zava-boaary ; ilay finoana mitondra amin’ny fitiavana, fahafoizana.

Ireo teboka miloko raozy no voan’ilay hazo izay anehoana ny PAROASY na EGLIZY IRAKA rehetra manerana ny Diosezy.

 

5.     HAZO : Miorina amin’ny tany ny vahatrany, maintso ny raviny, dia ilay sarin-tanin’ny Diosezy ary raozy ny voany. “Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara”. Lonaka tsara ny tany anirian’io hazo ka maintso ny raviny hany ka tsara bika koa ny voany.

Manambara ny fanentanana ataon’ny Diosezy momba ny fiarovana ny tontolo iainana io hazo io, tafiditra anatin’izany ny fambolen-kazo, ny fikolokoloana ny efa misy ary ny fanadiovana ny tontolo manodidina. Enga anie mba ho lasa diosezy maintso sy madio ny diosezintsika ary hitohy hatrany ny fandalinana sy ny fanomezan’ny kristianina hasina ny finoany ka mba ho lasa tany lonaka iroboroboan’ny finoana mandrakariva ny diosezintsika.  

 

6.     LAKROA : Famantarana ny nanavotan’i Jesoa Kristy ny zanak’olombelona ny Lakroa. Io ihany koa ilay Lakroa natolotr’i Papa Joany Paoly II ny tanora, rahefa nanentana ny tanora izy tamin’ny fiandohan’ny JMJ.

Rehefa JMJ no resahina dia tsy misaraka aminy ny Hazofijalian’i Kristy. Miorina eo Antsiranana ny Lakroa satria eo no hankalazaina ny JMJ Diosezy 2017.

 

7.     Araka izany dia ho hita eo amin’ny Logo ny soratra hoe : « J.M.J » ; « 2017 » ; « Antsiranana ».

 

04/03/2017 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..