Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » Hafatra Eveka avy amin'ny faritra Atsimo

Hafatra Eveka avy amin'ny faritra Atsimo

HO ANTSIKA FIANAKAVIAMBE MANERANA NY  NOSY

 
Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana amam-pamindram-po, avy
amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.
Mivory eto amin'ny Seminera Vohitsoa toy ny fanao isan-taona rzahay, eveka amin'ny
praovinsy roa sy pretra zoky mpiahy ny mpiofana ho pretra isan-diosezy, no mandre izao
vaovao mampahonena, mifanohitra tanteraka amin'ny fifankatiavan-tsika mpiray firenena izao.
Tohina mafy ny fo amam-panahy naheno ny fampitan'ny Radio Don Bosco ilay fanafihana fiara
roa tao akaikin'i Beroroha, diosezy Morombe, akaikin'ny faritra isarahana amin'i
Franarantsoa... Ka namonoana olona 31 be izao, ary anisan'izany ireo ankizy mandeha
hiatrika f itsapam-p ahaizana anomanana ny BEPC
Miombona aminareo fianakaviana sy tanàna izay namoy zanaka, havana amantsakaiza ;
ary mankahery anareo amin'izao fotoan-tsarotra izao. Mivavaka manokana ho
an'ireo nodimandry ary mivavaka ho antsika mianakavy, hanana ny hery sy ny fo tony.
Mampanahy mafy ny tsy fandriam-pahalemana tsy maharo ny vahoaka saika manenika ny
Nosintsika.
Mifampizara ny zava-mIsy isaky ny diosezy koa izahay eto, ka vaka dia vaka ny saina fa
raha ny tarehimarika eto am-pelatananay dia nahavetezana lakolosim-piangonana avokoa ny
diosezy 21 eto Madagasikara. Misy ny diosezy nahaverezana folo, misy ny roapolo. Mitaraina
fa tsy misy vokatra tena mazava. Tena mampanahy ny zava-misy, ny fiantsoana ny mpivavaka
no voatohintohina. Tsy tenenina ankoatr'izany ny fanimbazimbana finoana amin'ny
fanapotehana sary masina amin'ny lalam-pirenena fahafito iny.
Eo anatrehan'izany no manentana sy mampirisika ny tompon'andraikitra manampahefana
ara-pitondrana, tsy hiraviravy tanana fa mba ho kabary arahin'asa no atao, ary hahay
hibanjina koa ny soa iombonana sy ny fifanajana eo amin'ny fiaraha-monina ; fa ny disadisa
misy, no tena mampirongatra fihoaram-pefy samihafa, indrindra raha ny vola sy ny fahefana
no andrianina alohan'ny fihavanana.
Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna, dia zary miandry foana ny mpiambina mitily.
Salamo 126. . Tsy amin'ny alalan'ny rahom-bava na ny kabary miezinezina, fa nyfijoroantsika
hifankatia marina ka mitady ny tena làlan-kizorana hifankatiavan'ny ambanilanitra marina no
toe-panahy tsy ampy amintsika.


Hoy izahay Ray aman-dReninareo mivory eto Vohitsoa...
Mgr. Rabeony Fulgence, Arseveka Toliara
Mgr Zigmunt Robaschievrch - Morombe
Mgr. Vincent Rakotozafy * Taolaniaro
Mgr. Fabien - Morondava
Mgr. José Alfredo - Mananjary sy Farafangana
Mgr. Fidélis Rakotonarivo - Ambositra
Mgr. Fulgence Razakarivony - lhosy
Mgr. Rabemahafaly * Fianarantsoa
Sy ireo Mpanabe eto amin'ny Seminera Zokiny ary zoky mpiahy isaky ny diosezy !

 

Anio 23-06-2016

26/06/2016 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..