NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA
Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-25 mandavantaona, Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha-Apostoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao. Ny lahika dia ireo miaina eo anivon'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny fiainany no anambarany ny Vaovao mahafaly ka hitondrany ny toe-panahy maha Kristianina araka ny vavakantsika momba ny fiantsoan'Andriamanitra. Tsara averintsika sy ampahatsiahivana amintsika : “Omeo apostoly lahika vonon-kamonjy ny namana izahay mba hampamirapiratra ny toe-panahy kristianina eran’ny tany rehetra, amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fitiava-namana, amin’ny fandeferana omban-kerim-panahy, amin’ny asa sahanina, hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy”. ....[........]
IZAY MAMELA NO HAVELA
Ry Kristianina havana, araky ny averimberintsika fa indrindra taorian'ny pantekôty ary amin'izao mandavantaona izao dia entanin'ny Fanahy Masina isika ka zary Kristy velona, Kristy mpiara-belona amin'olona ka isaky ny Alahady raha nahatsikaritra tsara isika dia misy toetra anankiray ao amin'i Kristy asongadina araka ny lohahevitra atolotry ny Eglizy hodinihintsika na koa toetra antitranterin'i Kristy ka hahatonga antsika ho mpianany tokoa sy hahatonga antsika ho mpiara-belona amin'olona eo amin'ny fiainantsika anivon'izao tontolo izao na dia tsy anisan'izao tontolo izao aza. Amin'izao Alahady mandavantaona faha-24 izao dia toetra anankiray izay azo lazaina fa takin'i Kristy ho an'ny mpianany satria tsy hoe nampianarin'i Kristy fotsiny fa niainany ary azo lazaina fa toetra hahafahantsika mampijoro, manorina ny Eglizy olona satria izany no tanjona ho antsika eo anivon'izao tontolo izao ho fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra......[.........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA