Fankalazana ireo olomasina
Ry Kristianina havana, vao avy no namarana ny volan'ny raozery isika izay nibanjinantsika ny misterin'ny famonjena antsika : misterin'ny fahatongavana ho nofo, misterin'ny famirapiratan'ny fahazavana, misterin'ny fijaliana izay nibanjinantsika an'i Jesoa manolotra ny ainy ho fanavotana antsika ary ny mistery be voninahitra izay hibanjinantsika miaraka amin'i Masina Maria ny fiainan-ko avy izay andrasantsika. Nandritra izay volana Oktobra volan'ny Rozery ihany koa no nandalinantsika ny volan'ny misiona ka namakafakantsika ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA araka ny hafatr'I Papa hoe "Inty aho ka iraho". Volana oktobra izay nidirantsika amin'ny TAONA PASTORALY VAOVAO KA HANAOVANTSIKA DEPART VAOVAO AO ANATIN'NY PANTEKOTY VAOVAO. ARY INDRINDRA VOLANA NIROSOANTSIKA TAMIN’NY FIJANONANA FAHAROA NY SINAODY FAHA-7 KA NANDALINANTSIKA NY FIFANDRAISANTSIKA AMIN’NY TONTOLO IAINANA KA NANDRAISANTSIKA TOROLALANA MAFONJA HAMPIHARINA EO NOHO EO, HITSINJOVANA NY IVO EZAKA SY LAVITR’EZAKA HAHATONGA ANTSIKA HIHAVANA INDRAY AMIN’NY ZAVA-BOARY HAHATONGA HO MPIARO, HO MPANORINA, HO MPIKOLOKOLO FA TSY SANATRIA HO MPANDRAVA....[........]
TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA
Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-30 taona mandavantaona izao dia sady Alahady hamaranantsika ny volan'ny raozery no volan’ny misiona. Mbola ao am-pontsika ny fankalazana ny Sinaody ary ao an-tsaintsika ireo fehin-kevitra maniraka antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa ka hahatonga antsika ho EGLIZY OLO VELONA MIARA-DALANA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA MISIONERA ZARY TABERNAKLA VELONA.
Ny foto-kevitra lehibe aroson'ny Eglizy ho saintsainintsika sy ho halalinintsika ary hivelomantsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro ka hahatonga antsika hanana fiainana mirindra, araka ny averimberina amintsika hahay hampitraotra ny fiainana andavanandro sy ny finoana hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona dia fivelomana tokoa ny identitén-tsika, ny maha-kristianina antsika.......[........]
NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA
Ry Kristianina havana, avy niatrika ny Fijanonana faharoa na koa ny dingana faharoa amin’ny Sinaody isika. Nahatsapa isika fa maro ny zavatra mbola tsy maintsy halalinina mba hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA. Amintsika miresaka izao dia mikatroka koa ny any Roma, mivory mandinika mikasika ny Sinaody faha-16 handalinana ny maha-Eglizy miara-dia. Entintsika am-bavaka izany araka ny fangatahan’ireo Tompon’andraikitra. Ao anatin’ny volana oktobra, volan’ny mission izany rehetra izany no miseho. Tsy misy kisendrasendra hoy isika amin’ny Tompo fa ataon’izao rehetra izao hahasoa ireo izay tiany. Tiany tokoa isika satria amin’izao volana oktobra izao izany no handinihantsika manokana ny maha EOV MISIONERA antsika , ny maha Tabernakala velona antsika ary tsy irery isika fa miaraka amin’i Masina Maria ilay Misionera voalohany sy Mb Teresin’I jesoa Zazakely izay Mpiaro voalohan’ny misiona.....[.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA