Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena
Faly isika mianakavy amin'ity andro 15 Aogositra ity satria andro fankalazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra izany hoe olona iray rà amintsika no tafita nampakarina any an-danitra ka faly mifampiarahaba isika satria manaporofo izany fa tsy nofinofy ho antsika izao finoantsika izao. Betsaka ny mitady hanome tsiny hoe : "manonofy ianareo" ary dia hitan'Andriamanitra fa mety misy hanana an'izay eritreritra izay mitady hanakivy atsika, inona ny nataony? Ilay Renin'Andriamanitra nampiakariny any an-danitra ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra. Tsy hoe noho ny fahamendren'i Maria fa noho ny fahasoavana vokatry ny fanavotan'i Jesoa dia tanteraka ao amin'i Masina Maria izay tsy maintsy ho tanteraka amintsika mianakavy..[.....]
Tsy tonga hitondra fihavanana Aho, fa fampisarahana aza.
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-20 mandavantaona izao dia somary manahirana ny mandre ny tenin'Andriamanitra noho izy mifanohitra amin'ny mahazatra atsika. Matetika ny teny ampiasain'i Jesoa dia ny fitiavana , ny fihavanana, ny hasambarana, nefa ny teny amin'ny vakiteny telo atolotry ny Eglizy androany dia toa mifanohitra amin'izany ; hery setra, hetraketraka no azo lazaina itambaran'izy telo. Ny amin'ny Evanjely dia i Jesoa milaza fa " tsy tonga hitondra fihavanana aho fa fampisarahana aza, hitondra afo eto ambonin'ny tany aho". Ahoana izany fa hafahafa ny teniny? Izy ilay mpanjakan'ny fiadanana, tonga izy nanolotra ny ainy hampihavana..[......]
MANOMÀNA VATSY SAHAZA NY MANDRAKIZAY
Amin'izao Alahady faha-19 mandavantaona izao dia toe-panahy sy toe-piainana izay sarobidy indrindra amin'ny hoe fampitraofana ny finoana sy ny fianana andavanandro no atolotry ny Elgizy amintsika amin'ny alalan'ireo vakiteny. Ny antony dia tsotra satria eo anivon'ny fotoana fandalinam-pinoana isika mba hahafahantsika mivelona bebe kokoa an'izany finoana izany. Atolotry ny Eglizy amintsika ny toe-panahy anankiray izay azo lazaina fa ivon'ny toe-panahy rehetra ihany koa ary manambara fa velona ny finoantsika izay tsy inona fa ny fiambenana izany hoe ny fahaizana miambina. [......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Ity no Zanako malalako, henoy izy.
Ry kristianina havana, amin'izao 06 aogositra izao no ankalazain'ny Eglizy ny fiovan'i Jesoa tarehy teny an-tendrombohitra ka anolorany amintsika sahady amin'ny fankalazana izany : Voalohany ny toetran'i Jesoa rehefa tafatsangan-ko velona izy sy ny faharoa ny toetra miandry antsika, ny fahatelo dia tsy maintsy miombona ao amin'Andriamanitra Ray isika raha miaraka amin'i Jesoa. Ireo vakiteny aroson'ny Eglizy amintsika ary androany dia fantatra fa manampy atsika tokoa hibanjina an'izay fiainana izay. Ny antony dia fantantsika fa havesatra amintsika tahaka ny nahavesarany tamin'ny mpianatra ny hahita an'i Jesoa hifantsika amin'ny hazo fijaliana satria manambara faharesena, manambara ny fahalavoan'i Jesoa ary fantatr'i Jesoa izany....[.....]
NY VOLA NATAO HANOMPO FA TSY HOTOMPOINA
Amin'izao Alahady faha-18 izao, mitohy ny fandalinantsika ny finoana ka zavatra anankiray izay azo lazaina fa indrindra amin'izao andro sarotra izao ka matetika atao hifanohitra amin'ny fivavahana, izay mpivavaka dia matetika tsy mety ny mijery ny vola, na koa hoe izay manam-bola dia atao hoe asan'ny demony. Misy amin'ny soratra masina tokoa ny milaza fa ny vola no loharanon'ny fahotana ka heverina fa asan'ny demony ny vola. Izay indrindra no tian'ny Eglizy amin'izao Alahady faha-18 izao ho halalinintsika voalohany.....[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA