Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-25 manadavantaona izao dia mananatra atsika ny tenin'Andriamanitra aroson'ny Eglizy ho sakafom-panahy hamelombelona ny finoantsika hahafahantsika hahay hampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Mananatra atsika ireo tenin'Andriamanitra ireo hahay hampiasa ny vola na ny marimarina kokoa hahafantatra tsara ny anjaran'ny vola eo amin'ny fiainana, tsy inona fa ny vola dia atao hanompo fa tsy tompoina, atao hifanasoavana ny vola fa tsy atao hanapotehana ny fiombonana sy ny fihavanana. Indrisy anefa fa amin'ny adim-piainana isankarazany amin'izao vaninandrontsika izao, dia efa lasa Andriamanitra mihitsy ny vola ka izy no tompoina ..[....]
Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka
Amin'izao Alahady faha-24 mandavantaona izao dia asongadin'ireo vakiteny amintsika fa Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra. Isika no be siasia ka te handeha amin'ny varavarana malalaka any amin'ny fahaverezana ka manadino an'Andriamanitra fa izy kosa Ray be famindram-po. Ny tadiavin'Andriamanitra dia isika hiverina aminy, hanokatra ny fontsika aminy, hitoetra eo an-tongotr'i Jesoa, handray ny fahendren'Andriamanitra. Izany tokoa ry Krisitianina havana no matetika mahatonga atsika very lalana satria isika tsy mihaino an'i Jesoa, tsy manokatra ny fontsika amin'ny famindrampon'Andriamanitra, tsy mandray ny fampianaran'i Jesoa fa mirona amin'ny fampianarana izay mahatonga atsika very fanahy mbola velona ka tsy mahita intsony ny lalan-kombana...[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro
Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an’ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy isika ary izay ny fanahafana an'i Kristy. Toetra anankiray ambaran'i Jesoa koa amin'izao Alahady izao dia ny fahafoizana, tsy hanana an'izay toetra izay isika raha tsy manetry tena sy malemy fanahy. Izay tia dia mahafoy hoy i Jesoa. Toetra lehibe tsy maintsy hananantsika izany raha tiantsika ny hifanasoa, hikatsaka ny soa iombonanana, io no mitondra atsika amin'ny fiombonana tanteraka ao amin'i Jesoa. [........]
Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra
Ry Kristianina havana amin'izao Alahady faha-22 mandavantaona izao ny votoatin'ireo tenin'Andriamanitra izay halalinintsika fa indrindra moa anatin'ny mandavantaona fandalinam-pinoana isika izao. Tsy inona ary ny toetra fototra tsy maintsy ananantsika ary hitantsika taratra amin'ireo izay nivelona an'izay hoe fampitrahofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro izany izay tsy mora satria tsy mifanaraka amin'ny fahendren'izao tontolo izao dia ny FANENTRENTENA. Io no votoatin'ireo vakiteny aroson'ny Eglizy androany. Ny fahendren'izao tontolo izao no mampianatra atsika ny fireharehana fa ho an'ny zanak'Andriamanitra, ny mpanara-dia an'i Kristy dia ny fanentrentena no làlana tian'i Kristy ambara amintsika...[......]
Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fampianarana androany Alahady faha-21 mandavantaona izao dia manatitrantitra fa noharian'Andriamanitra ho fianakaviana iray eto an-tany isika no fianakaviana iray any an-danitra. Ny vakiteny voalohany dia manambara amintsika fa antsoin'Andriamanitra hiverina sy hiombona aminy ny firenena rehetra ho olo araiky ao aminy na ny avy atsimo, na ny avy avaratra, na ny avy antsinanana na ny avy andrefana dia hiombona ho iray ao amin'Andriamanitra ary izay ny voninahitr'Andriamanitra. Noharian'Andriamanitra isika ho ao aminy. Ry Kristianina havana, Andriamanitra dia mikatsaka mandrakariva ny hahasoa atsika, izao anefa tsy maintsy mahay mamaly ny antsony isika ..[......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA