Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA Hafatra – Volana Novambra 2015

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA Hafatra – Volana Novambra 2015

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA Hafatra – Volana Novambra 2015 - Archidiocèse d'Antsiranana

Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny varavaran’ny
Taona Masina momba ny « FAMINDRAMPON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy
tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana izany isika....

« Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7)


HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA


Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.


Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny vavaravaran’ny
Taona Masina momba ny « FAMINDRAM-PON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy
tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany isika ho
fanamasinana koa ny fiainantsika.


I- Miara-dàlana amintsika mandrakariva Andriamanitra.


1- Indroa miantoana ny Eglizy no niara-nankalaza ny sinaody ho an’ny Fianakavina,
manaporofo fa manan-kasina amin’ny fandavorariana ny maha-olona feno sy
manontolo ny fianakaviana. Mampisaotra an’Andriamanitra miaraka amin’ny Papa sy
ireo solon-tena niara-dia taminy. Miandry ny fampianarana vokatr’izany isika.
2- Niombom-po amam-panahy tamin’ny fankalazana JMJ Mada8 tany Fianarantsoa isika
mianakavy. Misaotra amin’ny fiaraha-mientana mavitrika. Tsy tanjona iny fa
fanomboham-piainana vaovao : « hadio fo hatrany, hahita an’Andriamanitra ».
3- Tsy latsa-danja amin’izany ny fankalazana ny taonan’ny fiainan’ny voatokana.
Nandalina izy ireo miaraka amin’ny Eglizy mba hampiharihary ny maha-izy azy ireo
hahafahany mizara ny hafalian’ny vaovao mahafaly amin’ny maha mpaminany.
4- Ankizy sy tanora maro no niara-nankalaza ny taon-jobilin’ny Afafi sy FET, nanehoan’izy
ireo fa « ny Fivavahana , ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia » no manosika hijoro
ho iraka sy ho vavolombelona eo anivon’ny fiainana andavanandro. Mahavelompanantenana
ho an’ny Firenena sy ny Eglizy ny fahitana azy ireo miara-mientana.
5- Taom-pahasoavana ho an’Eglizy eto Madagasika ity taona 2015 ity, satria diosezy 10
no feno 60 taona. Niara-nisaotra an’Andriamanitra tany Morondava ny
Fivondronamben’ny Eveka, notronin’ i Mgr Savio HON TAI FAI, sekretera jeneralin’ny
Foibe mitantana ny fitoriana ny vaovao mahafaly manerantany any Roma.
(Propaganda Fide). Manambara fa efa tsara orina eto amintsika ny Eglizy katolika.
6- Nahazo tombom-pitiavana isika eto Madagasikara fa namangy antsika ny
« reliques »n’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy ireo Ray aman-dreniny, namelona ny
finoana sy namohafoha indray ny hasin’ny fianakaviana. Mila olom-baovao ho modely
izao androntsika izao, ka ny toe-piainan’izy ireo ho fakantahaka ho antsika.


II- Satria famindram-po Andriamanitra.


1- Ny famindram-po no hatsaram-panahy faratampony isehoan’ny
toetran’Andriamanitra. Ny fony mihitsy no atolony amin’ny alalan’i Jesoa, teo amin’ny
Lakroa. ( jereo Jn 19, 34 ). Io no banjinintsika manoka amin’izao TAONA Masina ho
an’ny famindram-pon’Andriamanitra izao, araky ny hafatry ny Papa Fransoa : “Ny
famonjena atolotr’Andriamanitra antsika dia asan’ny famindrampony. Tsy misy asa
nataon’olombelona, na dia izay tsara indrindra aza, tokony hahamendrika antsika
hahazo an’izany fanomezana lehibe dia lehibe izany. Fa Andriamanitra, noho ny
indrafony madiodio, no misintona antsika hiray aminy” (Hafalian’ny Evanjely, 112).
2- Antso avo ho antsika hibebaka sy hihavao izao taona Masina izao mba hirosoana
amin’ny fiainam-baovao hahatonga antsika koa ho famindram-po tahaka ny Ray (
Lohahevitry ny Taona Masina). «Ny Eglizy no tokony ho sehatry ny famindrampo
madiodio, ahafahan’ny olona rehetra mahatsiaro tena ho voaray tsara, ho tototra
fitiavana, ho voavela heloka, ho nahazo fankaherezana hiaina araka ny lalam-piainana
tsara raketin’ny Evanjely”. (Hafalian’ny Evanjely n°114).


III- Saingy isika no be siasia


1- Marary izao tontolo izao noho ny hetraketratsika olombelona. Tsy izao tontolo izao
ihany anefa fa ity tanindrazana malalantsika ity koa, ka mila fitsaboana ( jereo -
Encyclique Laudato si n°13 -14). Mararin’inona?
2- Tsy misy intsony ny fanajana ny soa iombonana, babon’ny fitiavan-tena ny
ankamaroan’ny Malagasy ka potika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra. Tsy hisy ny
fanajana ny soa iombonana raha tsy voafongotra hatrany am-potony ny kolikoly, ny
fahalovana, ny tsy fahamarinana, fa indrindra ny vono olona. Jereo ny taratasy efa
nosoratanay volana novambra 2012.
3- Ny politika mifototra amin’ny lainga sy ny kobaka am-bava dia mibaribary hitambahoaka.
Tsy misy fanompona fa fitadiavana seza, ka zary fametrahana fianakaviana,
havana sy olom-pantatra ary ireo mahaloa vola. Ireo no loharano ipoiran’ity kolikoly
ity. Vokatr’izay, tsy ny fahaizana sy ny fahendrena intsony no mampandroso ity
firenena ity fa ny vola sy ny fahefana no mibaiko. Dia ho gaga ve isika raha misy sahy
mivarotra ny tany nolovaina tamin’ny razana amin’ny vahiny ny sasany ka zary
mifampifahavalo ny mpianakavy : miady, mifampitory, mifamono... Mivalaketraka
tanteraka ny vahoaka fa tsy hita taratra ny finiavana hanavotra azy ao anatin’ny
hantsana mangitsokitsoka.
4- Marary ny fihavanana satria ny fihatsarambelatsihy sy ny henamaso no mandrafitra ny
fifandraisana, mamatotra ny olona ka tsy afa-mijoro intsony amin’ny fahamarinana.
Mba hahatanteraka io hevi-dratsy io dia misy sahy manapotika fikambanana na Eglizy
izay manao ho soatoavina ny fihavanana ombam-pahamarinana. Manampy trotraka
koa ny fahasimban’ny fiaraha-monina, ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Toy ny
mandrora mitsilany isika mandrava ny trano iombonana : mikorontana tanteraka ny
toetr’andro. Izay mandoro tanety mamono tanteraka ny mahaolona.


IV- Antsoantson’ny tany karakaina, antsoantson’ny voageja.
Hoy ny Papa : « Sokafy ny masontsika hahita ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao, sy ny
ratra mahazo ireo havana maro tsy omen-kasina, ary aoka isika hahatsiaro fa voaantso
hihaino ny hiakan’ireo miantso vonjy. Aoka ny tanantsika hifamihina amin’ny tànany, ary
hitarika azy ireo hanatona antsika, mba handrenesany hafanana noho isika eo anilany, noho
ny fifankatiavana sy ny firahalahiana atolotra azy. Aoka ny antsoantsony no ho
antsoantsotsika koa, dia hiaraka isika handrodana ny rindrin’ny tsy firaharahana, izay
mazana manjakazaka tsy refesi-mandidy mba hanafenana ny fihatsaram-belatsihy sy ny
fitiavan-tena » (Ny endriky ny famindram-po, 15)
Inona àry no havalintsika izany antso avo mahasoa avy amin’ny Papa izany ? Mibebaha mba
tsy ho mpitazana kanosa. Aza kivy fa mitrakà hatrany.
1- Volena amin’ny seha-panabeazana rehetra ( fianakaviana, sekoly, fikambanana
ary fiaraha-monina) ny fanajana ny soa iombonana ka hahatonga ny rehetra
hahafoy ho an’ny firenena, handresena ny toe-tsaina mitodika mandrakariva
amin’ny fitiavan-tena sy ny fihaviana.
2- Atsaharo ny politikan’ny fitiavan-tena ho an’ireo rehetra anankinana andraikitra
amin’ny fitantanam-bahoaka. Ny atao hoe fanjakana tsara tantana dia miahy ny
soa iombonana mifototra amin’ny fanajana ny zo maha-olona sy ny fahaizana
mihaino ny feon’ny tsirairay. Esory lavitra ny toe-tsaina manavakavaka eo amin’ny
asa fanompoana.
3- Asio lanjany sy hasiny ny tontolo iainana satria asan’Andriamanitra io. Ny krizin’ny
fiainantsika ankehitriny dia taratry ny fiainantsika anaty karakaina tsy misy fanahy.
Mila fibebahana sy fiovam-penitra mahery vaika ny fifandraisantsika amin’ny
tontolo iainana sy ny zava-boahary. (cf-Laudato si n°217). Asehoy an’asa izany
fibebahana takina amin’ny tsirairay sy amin’ny besinimaro izany.
4- Marina fa miorim-paka eto amitsika ny Eglizy, mila fikolokoloana maharitra izany.
Amin’ny alalan’ny fiainana andavanandro no anehoana ny fibebahana. Miezaha ho
vavolombelona toa an’ireo olomasina sy ireo Ray aman-dreny razantsika hendry
teto. Izao taon-jobily izao dia vanim-potoana lehibe hiainantsika ny famindrampon’Andriamanitra,
mitondra antsika hihavao ho an’ny fahamasinana. Miombombavaka
amin’ny Papa isika manao hoe : « Tompo ô, izaho no nanaiky ho voafitaka,
ary maro ny fomba nandosirako ny fitiavanao, saingy inty aho tonga eto indray,
hanavao ny fanekempihavanako aminao ! (Hafalian’ny Evanjely 3).
Miombona amin’ny Eglizy manerantany àry isika mandritra izao Taona Masina izao. Enga anie
tsy hihazakazaka any amin’ny tontolom-pahafatesana fa hifampitantana ho any amin’ny
fahavelomana arafitry ny fitiavana sy ny fiadanana. « « Sambatra ny mamindra fo, fa
hamindrana fo izy » (Mt 5, 7) »
Masina Maria mpanjakavavin’ny Fiadanana, mpiaro an’i Madagasikara anie hitari-dàlana sy
hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika.
Mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray aman-dreninareo.


Antananarivo anio, 12 novembre 2015
Fetin’ny Masindahy Josaphat, Eveka Martiry


Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar
Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevekan’Antsiranana, Filoha lefitra
Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly
Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo
Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary
Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,
Mgr Georges VARKEY, Evekan’i Port-Bergé
Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja
Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga
Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Evekan’Ambatondrazaka
Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga
Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy
Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo
Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra
Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i Mananjary, Administrateur Apostoliquen’i Farafangana
Mgr RAZAKARIVONY Fulgence, Evekan’Ihosy
Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro
Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe
Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i Morondava
Mgr MALO Michel, Evêque Emérite d’Antsiranana
Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa
Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo
Mgr SCOPELLITI Antoine, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka
Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro
Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava
Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Berger

CEM VM nov15 CEM VM nov15 [12 Kb]
14/11/2015 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..