MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO
Amin’izao Alahady faha 16 mandavantaona izao dia mampianatra antsika ny tenin’Andriamanitra manambara fa Andriamanitra maharitra tokoa izy, mamindra fo, mahandry, tsy mivadika amin’ny fanekeny. Ray mpamindra fo Andriamanitra, izy no mitondra antsika amin’ny fiainana feno famindram-po. Ray ny Andriamanintsika ary tsy misy miafiana aminy ny momba antsika, Ray be fitiavana sy famindram-po izy ary indrindra tsy manana fitsara mitanila, ny hahasoa antsika no tadiaviny, aoka ary hahatoky azy isika. Izany no tian’i Jesoa ambara momba ny fanoharana mikasika ny ahi-dratsy sy ny voatsara ao amin’ny Evanjely ka anoharany momba ny fanjakan’ny lanitra....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
NOKENDREN’ANDRIAMANITRA HISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANTSIKA, NY TENINY
Ry Kristianina havana, tsy hoe mandeha anjambany antsika raha zary Kristy eo anivon'ny mpiara-belona amintsika fa natao ho fahazavana sy fanasina ka ny tenin'Andriamanitra no manilo ny fiainantsika, izy no jiro manentana ny fiainantsika.
Izany no lohahevi-dehibe androany Alahady faha 15 mandavantaona handalinantsika ny finoantsika izay hirosoantsika lalindalina kokoa amin'ny maha-Kristy mpiara-belona amin’olona antsika tsirairay ....[........]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
I JESOA: BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY
Ry Kristianina havana, isaky ny Alahady mandritra ny mandavantaona dia toetra anankiray no omen'ny Eglizy antsika amin'ny alalan'ireo vakiteny izay henointsika ny Alahady ka halalinintsika mandritra ny herinandro mba hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona.
Amin'izao Alahady faha-14 mandavantaona izao, toetra anankiray ao amin'i Jesoa indray no ianarantsika ary alohan'izy ianarantsika azy dia i Jesoa mihintsy no miantso antsika mba hiombona aminy ka lazainy hoe : "Mankanesa aty amiko ianareo izay manana enta-mavesatra fa hanamaivana anareo aho ary tsy misy mahalala ny Ray hafa tsy ny zanaka ihany, hanamaivana anareo aho, ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho dia hahita fiadanana ianareo".....[.......]
NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA
Ry Kristianina havana, averimberintsika matetika fa ny fandalinam-pinoana no iainantsika amin'izao vanim-potoana mandavantaona izao arak'ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika ary mba hivelomantsika satria efa nandray ny Fanahin'Andriamanitra isika taorianan'ny fetin'ny Pantekôty. Amin'izao Alahady faha-13 mandavantaona izao dia toetra anankiray tsy maintsy ananantsika mba hahatonga antsika Kristy mpiara-belona amin'olona no ambaran'ireo vakiteny masina aroson'ny Eglizy amintsika : "Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza miantona".
Ny zavatra tsy maintsy ho alalinintsika ary tsy maintsy hiainantsika dia mikasika ny fandraisana sy ny fahaizana mampiantrano an'izay rehetra manodidina antsika....[.....]
MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA
Ry Kristianina havana, tapitra tamin'ny fankalazantsika tamin'ny fomba manetriketrika ary nataontsika tanatin'ny procession ny fankalazana ny Vatana sy Ra masin'i Kristy sakramenta masina ireo vanimpotoana manokana ka miditra tanteraka amin’ny mandavantaona isika izao. Fotoana handalinantsika ny finoana. Alahady faha-12 mandavantaona izao, azo lazaina fa na manao akory ny adim-piainana tsy maintsy atrehina, na manao akory ny fiainana mety manahirana, na dia mety ho tonga aza ny hoe very fanahy mbola velona ka tsy ho hita intsony izay aleha dia fantaro fa tsy miova Andriamanitra, efa nanolotra an'i Jesoa izy ary izy no làlana sy fahamarinana sy fiainana ka aoka tsy hatahotra isika hahatoky an'Andriamanitra ...[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA