« Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra » (Lk. 19: 38)
Ry Kristianina havana, izao Alahadin'ny sampankazo izao no mampiditra antsika amin'ny herinandro masina izay ankalazantsika ny famonjena antsika dia Jesoa nanaiky ho fahotana, Izy izay tsy nanota mba hanafaka antsika amin’ny fahotana. Ny famonjena ankalazaintsika dia Andriamanitra nanaiky hanavotra antsika, nanaiky nanolotra ny ainy ho antsika, nanaiky ho faty hanafaka antsika amin'ny fahotana, amin’ny fahafatesana. Antsointsika herinandro Masina satria Masina izay miombona amin'Andriamanitra. Masina izao herinandro izao satria mampiombona antsika amin'Andriamanitra. Masina isika rehefa miombona amin'Andriamanitra. Hararaoty àry izao herinandro masina izao hiombonantsika bebe kokoa amin'Andriamanitra.
Maro ireo famantarana hibanjinantsika mandritra izao herinandro masina izao hanampy antsika hamelombelona ny finoantsika ary ny finoana no
hahaizantsika mandray izao herinandro izao ho masina ka mitondra antsika amin'ny Paka ......[.......]
« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »
Ry Kristianina havana, efa mihamanakaiky tokoa ny fankalazantsika ny Paka, Alahady roa sisa dia mankalaza ny Paka isika ary amin’ny Alahady hoavy dia hankalaza ny sampankazo izay mampiditra antsika amin’ny herinandro lehibe, ny Herinandro masina. Izao Alahady izao amin’ny toerana maro dia alahady fanaovana pelerinajy izay hibanjininantsika ny lakroan’i Kristy, handinihintsika ny Lalan’ny hazofijaliana ka hiombonantsika amin’I Jesoa mijaly sy maty. Miakatra eny amin’ny “La montagne” isika manao pelerinajy, entintsika hiakatra ny fiainantsika fa tsy hirefarefa amin’ny tany izay feno lainga sy fitapitaka ary herisetra. Izany rehetra izany no nahafaty an’i Jesoa teo ambony hazofijaliana noho ny hetraketratsika olombelona, izay no nanolorany ny tenany hamonjena antsika. Mbola manjaka anefa izany ankehitriny, raha mijery ny zava-misy dia toa fiainana biby sanatria ny fiainantsika olombelona indraindray, rentsika etsy sy eroa fa herisetra maro isan-karazany........[........]
« Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy » (Lk. 15: 2)
Ry Kristianina havana, izao no andro tsara sy androm-pahasoavana hibebahantsika ka hanatonantsika an’Andriamanitra, fotoana hiekentsika heloka ka hohavaozin’Andriamanitra ny fo amam-panahintsika, ho lasa olom-baovao isika, izany no andrandraintsika amin’ny Paka, izany no antenaintsika sy irintsika amin’izao Sinaody faha-7 atrehintsika izao ary iombonantsika amin’ny sinaody eran-tany faha-16.
Nobanjinintsika tamin’ny Alahady lasa teo fa tsy maintsy mibebaka isika miady amin’ny ratsy mikiky ny fiainantsika raha nandinika ny niseho tamin’ny vahoakan’Israely. Ireny zava-mitranga ireny, ireny loza ireny tsy hoe Andriamanitra mahatonga azy ireny fa fananarana ho antsika, hanampy antsika hiaiky fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no tena hasambarana, Andriamanitra irery no loharanon’Aina. Amin’izao Alahady fahaefatra amin’ny Karemy izao dia manambara fa efa akaiky tokoa ny Paka, I Jesoa nandalo tamin’ny ratsy indrindra dia ny fahafatesana nefa nitsangan-ko velona. Raha miara-maty Aminy amin’ny fahotana isika dia hitsangana hiaraka aminy......[.......]
« Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho »
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo, Alahady faharoa amin’ny karemy dia ny fiovan’ny Tompo tarehy no nobanjinintsika. Manoro antsika sahady izay miandry antsika vokatry ny Paka izay fandalovana miala amin’ny fiainana tsizarizary, miala amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana izay manapotika ny fiainana. Milaza miara-mahita isika fa betsaka ny korontana eo amintsika ankehitriny. Manantena àry isika fa izao fiomantsika amin’ny Paka, izao fiatrehantsika ny Sinaody izao hitondra antsika amin’ny fitsanganan-ko velona miaraka amin’I Jesoa. Miaraka mitsangana Aminy isika ka miditra amin’ny fiainam-baovao, izany no dikan’ny fiovan-tarehy nobanjinintsika tamin’ny alahady lasa teo. Sady fankaherezana ho an’ireo mpianatra hanatrika ny fijalian’I Jesoa no fankaherezana antsika ihany koa ankehitriny. Ataoko fa anisan’ny antony tsy nitondran’I Jesoa ireo mpianatra 12 fa I Piera, Jakoba, Joany ihany no nentiny ho solontenantsika jiaby.....[.......]
Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny” (Lk. 9: 29)
Ry Kristianina havana, tena anatin’ny karemy isika ary nasongandintsika tamin’ny Alahady voalohany Karemy lasa teo fa Ady sady Dia ny fiainana izay hitondra antsika amin’ny fankalazana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ady amin’ny ratsy hampivelatra antsika ka hahatonga ho Zanak’Andriamanitra miaraka amin’I Kristy nandresy ny ratsy sady Dia mankany amin’ny fiainana tsara misy an’Andriamanitra. Ady amin’ny fahotana tsy amin’izao karemy izao ihany fa ady isan’andro satria ny fahotana no mahatonga antsika tsy mivelona ny maha zanak’Andriamanitra antsika ary manapotika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ny tontolom-pinoana ka noho izany potika koa ny fifandraisantsika amin’ny tontolom-piainantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny zava-boaary. Hitantsika izany amin’ireny fifangaroan’ny fiainantsika ireny izay ity KORONTANAVIRUS ity no anton’izany. Noho ny fahotana dia potika ny tontolom-piainantsika. Potika ny fifandraisantsika samy mpiara-belona eo anivon’ny fiaraha-monina vokatry ny fahotana satria tsy mahatohitra ny fakam-panahy maro samihafa isika......[..........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA