Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FANKALAZANA MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA - TAONAA2023

RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKA VA VIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA

Ry Kristianina havana, mbola anatin'ny fankalazana ny fetin'ny Noely isika amin'izao andro voalohany taona "1er janvier" izay ankalazantsika an'i Masina Maria Renin'Andriamanitra ka an-karavoana sy an-kafaliana no iarahabana antsika olo araiky jiaby. Izao voalohan-taona izao dia fankalazana telo sosona no ataontsika :
Andro voalohany Janoary, voalohan'ny taona araka ny"calendrier civil" fa araka ny calendrier liturgique dia efa nankalazaintsika izany tamin'ny Alahady voalohan'ny Fiaviana taorian'ny fankalazantsika an'i Kristy mpanjaka ary nanatanterahantsika ny Sinaody tapany voalohany ary nampiditra antsika amin’ny Sinaody tapany faharoa : FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARO NY TONTOLO IAINANA. Azo lazaina fa izao taombaovao izao no hanampy antsika hiroso lalindalina kokoa amin’ny dinika fa indrindra amin’ny fantanterahana ny ezaka hivelomana io sinaody tapany faharoa io. Ny hafatr’I Papa amin’izao 1 janvier tokoa dia mampitodika antsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA

Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny

Ry Kristianina havana, mankalaza manokana ny Fianakaviana Masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an'i Jesoa, Maria ary Josefa. Fianakaviana masina no iantsoana azy satria eo anivony ilay Masina dia i Jesoa. Tsara tokoa ny mamerina manazava fa ny atao hoe “masina” dia izay miombona amin’Andriamanitra izay hany masina. Masina ny Fianakaviana tao Nazareta satria miombona tanteraka amin’i Jesoa izay nifidy an’i Maria sy Md Josefa ho ray aman-dreny.
Tsy misalasala isika àry milaza fa raha eo anivon'ny fiainantsika tokoa i Jesoa, raha eo anivon'ny fianakaviana i Jesoa dia ho masina ny fianakaviantsika tsirairay ary izany no mahatonga antsika milaza fa “Eglizy kely” ny fianakaviana. Eglizy satria misy an'i Jesoa, Eglizy satria hiarahantsika mivavaka, Eglizy satria handalinantsika ny finoana amin'ny maha Kristianina antsika, Eglizy satria hijoroantsika vavolombelona manambara tahaka ny fianakaviana masina fa eo anivony i Jesoa.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY 25 desambra 2022 - Fankalazana ny Noely

« Tamin’ny voalohany ny Teny, aryny Teny dia tao amin’Andriamamtra, ary Andriamanitra ny Teny »
(Jo. 1, 1)


Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin'ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin'ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenana ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin'izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika olo araiky jiaby. Bonne et sainte fête de Nôel antsika jiaby e, enga anie ho Noely hitondra fiadanana tanteraka izao Noely 2022 izao. Tanteraka eo anivon'ny fiainantsika izany fiadanan'ny Noely izany raha manome voninahitra an'Andriamanitra ny fiainantsika manontolo......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FIAVAIANA FAHA_4 TAONA A22

"Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”

Ry Kristianina havana raha afaka andro vitsivitsy dia hiaraka hankalaza ny fetin'ny Noely isika, anio tokoa moa ny Alahady faha-4 fiavian'ny Tompo. Matetika isika namerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia midika zavatra lalina satria tsy hoe mahatsiaro fotsiny isika fa ny Noely dia Andriamanitra eto amintsika, Emanoela no anarany. Tsy hoe "anniversaire"n'i Jesoa no ankalazaintsika fa noho ny asan'ny Fanahy masina dia mahatsiaro ilay fiaviana tamin'izany fotoana izany isika no sady mivelona no miaina an'izany fotoan-dehibe nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olombelona ka izao Alahady faha-4 izao dia mialoha an'izany fankalazana izany......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FIAVAIANA FAHA_3 TAONA A22


Ianao va ilayho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Ry Kristianina havana, mahavariana ny fandaharan’Andriamanitra fa mifanaraka tsara amin’izao Sinaody miara-dia tapany faharoa tanterahintsika izao. Izany tokoa mitohy hatrany ny diantsika mankany amin'ny Noely ary azo lazaina fa efa misasaka ny làlana.
Ny tenin'Andriamanitra dia efa mampitsinjo antsika sahady amin'izay andrasantsika amin’zay Noely izay amin'izao Alahady fahatelo fiaviana izao. Antsoina tokoa izao Alahady fahatelo izao ho “Alahadin’ny hafaliana” satria miverimberina matetika amin'ireo vakiteny androany ny resaka hafaliana, izay manentana antsika sahady amin'ny hafaliana entin'ny Noely. Izany koa no andrasantsika amin’izao dingana faharoa amin’ny Sinaody izao raha voahaja ny zavaboary maitso, mitondra fanantenana.
Hafaliana ny antsika raha mandray an'i Jesoa izay tonga eto anivontsika......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..